Skip to content
Church.wiki
Galatians

Galatians 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―Select Galatians 1:1

2mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:Select Galatians 1:2

3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,Select Galatians 1:3

4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika;Select Galatians 1:4

5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Select Galatians 1:5

6Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,Select Galatians 1:6

7izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.Select Galatians 1:7

8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.Select Galatians 1:8

9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,Select Galatians 1:9

10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.Select Galatians 1:10

11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.Select Galatians 1:11

12Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.Select Galatians 1:12

13Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;Select Galatians 1:13

14ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.Select Galatians 1:14

15Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,Select Galatians 1:15

16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,Select Galatians 1:16

17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.Select Galatians 1:17

18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.Select Galatians 1:18

19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.Select Galatians 1:19

20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.Select Galatians 1:20

21Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;Select Galatians 1:21

22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.Select Galatians 1:22

23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.Select Galatians 1:23

24Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.Select Galatians 1:24

Next: Galatians 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Galatians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.