Galatians 4
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;Select Galatians 4:1
2fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.Select Galatians 4:2
3Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;Select Galatians 4:3
4fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,Select Galatians 4:4
5hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.Select Galatians 4:5
6Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.Select Galatians 4:6
7Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.Select Galatians 4:7
8Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;Select Galatians 4:8
9fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?Select Galatians 4:9
10Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.Select Galatians 4:10
11Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.Select Galatians 4:11
12Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;Select Galatians 4:12
13nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;Select Galatians 4:13
14ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.Select Galatians 4:14
15Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.Select Galatians 4:15
16Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?Select Galatians 4:16
17Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.Select Galatians 4:17
18Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.Select Galatians 4:18
19Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,Select Galatians 4:19
20enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.Select Galatians 4:20
21Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?Select Galatians 4:21
22fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.Select Galatians 4:22
23Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.Select Galatians 4:23
24Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.Select Galatians 4:24
25Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.Select Galatians 4:25
26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.Select Galatians 4:26
27Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.Select Galatians 4:27
28Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.Select Galatians 4:28
29Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.Select Galatians 4:29
30Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.Select Galatians 4:30
31Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.Select Galatians 4:31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation