Galatians 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.Select Galatians 6:1
2Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy.Select Galatians 6:2
3Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.Select Galatians 6:3
4Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ ny olon-kafa;Select Galatians 6:4
5fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.Select Galatians 6:5
6Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra.Select Galatians 6:6
7Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany.Select Galatians 6:7
8Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy.Select Galatians 6:8
9Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.Select Galatians 6:9
10Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana.Select Galatians 6:10
11Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo.Select Galatians 6:11
12Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy.Select Galatians 6:12
13Fa na dia ny tenan’ izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin’ ny nofonareo.Select Galatians 6:13
14Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao.Select Galatians 6:14
15Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.Select Galatians 6:15
16Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin’ ny Isiraelin’ Andriamanitra.Select Galatians 6:16
17Amin’ izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’ i Jesosy voatomboka eo amin’ ny tenako.Select Galatians 6:17
18Ho amin’ ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.Select Galatians 6:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation