Skip to content
Church.wiki
1 Corinthians

1 Corinthians 10

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,Select 1 Corinthians 10:1

2ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina,Select 1 Corinthians 10:2

3ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,Select 1 Corinthians 10:3

4ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.Select 1 Corinthians 10:4

5Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.Select 1 Corinthians 10:5

6Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ ireny.Select 1 Corinthians 10:6

7Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.Select 1 Corinthians 10:7

8Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.Select 1 Corinthians 10:8

9Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ ny sasany tamin’ ireny fanahy Azy, ka matin’ ny menarana ireny.Select 1 Corinthians 10:9

10Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, izay matin’ ny mpandringana.Select 1 Corinthians 10:10

11Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao.Select 1 Corinthians 10:11

12Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.Select 1 Corinthians 10:12

13Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.Select 1 Corinthians 10:13

14Koa amin’ izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.Select 1 Corinthians 10:14

15Miteny toy ny amin’ ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.Select 1 Corinthians 10:15

16Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ ny ran’ i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany?Select 1 Corinthians 10:16

17Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa.Select 1 Corinthians 10:17

18Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va?Select 1 Corinthians 10:18

19Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?Select 1 Corinthians 10:19

20Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo.Select 1 Corinthians 10:20

21Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.Select 1 Corinthians 10:21

22Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?Select 1 Corinthians 10:22

23Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.Select 1 Corinthians 10:23

24Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.Select 1 Corinthians 10:24

25Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;Select 1 Corinthians 10:25

26fa an’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.Select 1 Corinthians 10:26

27Ary raha misy amin’ ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.Select 1 Corinthians 10:27

28Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana.Select 1 Corinthians 10:28

29Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ ny tenanano, fa ny an’ ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ ny fieritreretan’ ny olon-kafa?Select 1 Corinthians 10:29

30Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana?Select 1 Corinthians 10:30

31Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany.Select 1 Corinthians 10:31

32Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra,Select 1 Corinthians 10:32

33dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.Select 1 Corinthians 10:33

Next: 1 Corinthians 11Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.