Skip to content
Church.wiki
1 Corinthians

1 Corinthians 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’ i Kristy.Select 1 Corinthians 11:1

2Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin’ ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.Select 1 Corinthians 11:2

3Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’ i Kristy.Select 1 Corinthians 11:3

4Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.Select 1 Corinthians 11:4

5Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.Select 1 Corinthians 11:5

6Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.Select 1 Corinthians 11:6

7Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.Select 1 Corinthians 11:7

8Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian’ ny vehivavy.Select 1 Corinthians 11:8

9Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ ny lehilahy.Select 1 Corinthians 11:9

10Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin’ ny anjely.Select 1 Corinthians 11:10

11Kanefa ao amin’ ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.Select 1 Corinthians 11:11

12Fa toy ny nihavian’ ny vehivavy avy tamin’ ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian’ ny lehilahy avy tamin’ ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian’ ny zavatra rehetra.Select 1 Corinthians 11:12

13Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin’ Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?Select 1 Corinthians 11:13

14Tsy mampianatra anareo va izao fomban’ ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?Select 1 Corinthians 11:14

15Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.Select 1 Corinthians 11:15

16Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan’ Andriamanitra.Select 1 Corinthians 11:16

17Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.Select 1 Corinthians 11:17

18Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.Select 1 Corinthians 11:18

19Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.Select 1 Corinthians 11:19

20Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan’ ny Tompo akory.Select 1 Corinthians 11:20

21Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.Select 1 Corinthians 11:21

22Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’ Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin’ izany aho.Select 1 Corinthians 11:22

23Fa izaho efa nandray tamin’ ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’ iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,Select 1 Corinthians 11:23

24ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.Select 1 Corinthians 11:24

25Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.Select 1 Corinthians 11:25

26Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.Select 1 Corinthians 11:26

27Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo amin’ ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ ny tena sy ny ran’ ny Tompo izy.Select 1 Corinthians 11:27

28Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ ny kapoaka.Select 1 Corinthians 11:28

29Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.Select 1 Corinthians 11:29

30Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.Select 1 Corinthians 11:30

31Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.Select 1 Corinthians 11:31

32Fa raha tsaraina isika, dia faizan’ ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin’ izao tontolo izao.Select 1 Corinthians 11:32

33Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa.Select 1 Corinthians 11:33

34Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.Select 1 Corinthians 11:34

Next: 1 Corinthians 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.