Skip to content
Church.wiki
1 Corinthians

1 Corinthians 12

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny amin’ ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.Select 1 Corinthians 12:1

2Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin’ ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.Select 1 Corinthians 12:2

3Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masìna.Select 1 Corinthians 12:3

4Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.Select 1 Corinthians 12:4

5Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.Select 1 Corinthians 12:5

6Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra.Select 1 Corinthians 12:6

7Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.Select 1 Corinthians 12:7

8Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,Select 1 Corinthians 12:8

9ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany,Select 1 Corinthians 12:9

10ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.Select 1 Corinthians 12:10

11Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.Select 1 Corinthians 12:11

12Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.Select 1 Corinthians 12:12

13Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.Select 1 Corinthians 12:13

14Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.Select 1 Corinthians 12:14

15Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?Select 1 Corinthians 12:15

16Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,― koa amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?Select 1 Corinthians 12:16

17Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?Select 1 Corinthians 12:17

18Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ ny tena araka ny sitrapony.Select 1 Corinthians 12:18

19Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?Select 1 Corinthians 12:19

20Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.Select 1 Corinthians 12:20

21Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.Select 1 Corinthians 12:21

22Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.Select 1 Corinthians 12:22

23Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;Select 1 Corinthians 12:23

24fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin’ ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ ny nanamboaran’ Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,Select 1 Corinthians 12:24

25mba tsy hisy fisarahana eo amin’ ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.Select 1 Corinthians 12:25

26Ary raha mijaly ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.Select 1 Corinthians 12:26

27Ary ianareo no tenan’ i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.Select 1 Corinthians 12:27

28Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.Select 1 Corinthians 12:28

29Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?Select 1 Corinthians 12:29

30Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?Select 1 Corinthians 12:30

31Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:Select 1 Corinthians 12:31

Next: 1 Corinthians 13Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.