Skip to content
Church.wiki
1 Corinthians

1 Corinthians 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny amin’ ny famoriam-bola ho an’ ny olona masìna, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ ny fiangonana any Galatia.Select 1 Corinthians 16:1

2Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.Select 1 Corinthians 16:2

3Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.Select 1 Corinthians 16:3

4Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.Select 1 Corinthians 16:4

5Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’ i Makedonia ― fa hamaky an’ i Makedonia aho ―Select 1 Corinthians 16:5

6ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’ izay halehako.Select 1 Corinthians 16:6

7Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ ny Tompo.Select 1 Corinthians 16:7

8Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ ny Pentekosta;Select 1 Corinthians 16:8

9fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.Select 1 Corinthians 16:9

10Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.Select 1 Corinthians 16:10

11Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho.Select 1 Corinthians 16:11

12Ary ny amin’ i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’ izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.Select 1 Corinthians 16:12

13Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.Select 1 Corinthians 16:13

14Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ ny fitiavana.Select 1 Corinthians 16:14

15Fantatrareo ny ankohonan’ i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’ i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ ny fanompoana ny olona masìna; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,Select 1 Corinthians 16:15

16mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.Select 1 Corinthians 16:16

17Faly aho noho ny fihavian’ i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;Select 1 Corinthians 16:17

18fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.Select 1 Corinthians 16:18

19Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ ny fiangonana izay ao an-tranony.Select 1 Corinthians 16:19

20Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.Select 1 Corinthians 16:20

21Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.Select 1 Corinthians 16:21

22Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.Select 1 Corinthians 16:22

23Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo;Select 1 Corinthians 16:23

24ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Amena.Select 1 Corinthians 16:24

Next: 2 Corinthians 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.