2 Corinthians 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ ny Tompo aho.Select 2 Corinthians 12:1
2Mahalala olona anankiray ao amin’ i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ ny folo taona lasa izay ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― ilay anankiray dia nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo.Select 2 Corinthians 12:2
3Ary mahalala ilay olona anankiray aho ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ―Select 2 Corinthians 12:3
4fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’ olona.Select 2 Corinthians 12:4
5Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin’ ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin’ ny fahalemena ihany.Select 2 Corinthians 12:5
6Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.Select 2 Corinthians 12:6
7Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.Select 2 Corinthians 12:7
8Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.Select 2 Corinthians 12:8
9Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.Select 2 Corinthians 12:9
10Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.Select 2 Corinthians 12:10
11Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.Select 2 Corinthians 12:11
12Ny famantarana mah’ Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ ny faharetana rehetra, tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe.Select 2 Corinthians 12:12
13Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin’ izany fahadisoana izany.Select 2 Corinthians 12:13
14Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany.Select 2 Corinthians 12:14
15Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon’ ny fitiavako anareo aza no fihenan’ ny fitiavanareo ahy.Select 2 Corinthians 12:15
16Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin’ ny fihendrena.Select 2 Corinthians 12:16
17Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?Select 2 Corinthians 12:17
18Nangataka an’ i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?Select 2 Corinthians 12:18
19Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.Select 2 Corinthians 12:19
20Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, ―Select 2 Corinthians 12:20
21eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.Select 2 Corinthians 12:21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation