Skip to content
Church.wiki
2 Corinthians

2 Corinthians 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary amin’ izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.Select 2 Corinthians 4:1

2Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra.Select 2 Corinthians 4:2

3Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’ izay ho very izany,Select 2 Corinthians 4:3

4izay nohajambain’ ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra.Select 2 Corinthians 4:4

5Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy.Select 2 Corinthians 4:5

6Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy.Select 2 Corinthians 4:6

7Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay.Select 2 Corinthians 4:7

8Voageja manodidina izahay, nefa tsy terỳ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;Select 2 Corinthians 4:8

9enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;Select 2 Corinthians 4:9

10mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy.Select 2 Corinthians 4:10

11Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy.Select 2 Corinthians 4:11

12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.Select 2 Corinthians 4:12

13Ary satria manana izany fanahin’ ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny, dia mino koa izahay ka miteny;Select 2 Corinthians 4:13

14fa fantatray fa Izay nanangana an’ i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.Select 2 Corinthians 4:14

15Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro.Select 2 Corinthians 4:15

16Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’ andro isan’ andro kosa ny toetray anatiny.Select 2 Corinthians 4:16

17Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,Select 2 Corinthians 4:17

18raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.Select 2 Corinthians 4:18

Next: 2 Corinthians 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.