2 Corinthians 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ AndriamanitraSelect 2 Corinthians 6:1
2fa hoy Izy: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;Select 2 Corinthians 6:2
3fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’ inona na amin’ inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;Select 2 Corinthians 6:3
4fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,Select 2 Corinthians 6:4
5amin’ ny kapoka, amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsy fahitan-tory, amin’ ny fifadian-kanina,Select 2 Corinthians 6:5
6amin’ ny fahadiovana, amin’ ny fahalalana, amin’ ny fahari-po, amin’ ny fahamoram-panahy, amin’ ny Fanahy Masìna, amin’ ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,Select 2 Corinthians 6:6
7amin’ ny teny fahamarinana, amin’ ny herin’ Andriamanitra, amin’ ny fiadian’ ny fahamarinana, na amin’ ny ankavanana na amin’ ny ankavia,Select 2 Corinthians 6:7
8amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;Select 2 Corinthians 6:8
9tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;Select 2 Corinthians 6:9
10tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.Select 2 Corinthians 6:10
11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.Select 2 Corinthians 6:11
12Tsy terỳ aminay ianareo, fa terỳ ao am-ponareo ihany.Select 2 Corinthians 6:12
13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.Select 2 Corinthians 6:13
14Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ ny mazava sy ny maizina?Select 2 Corinthians 6:14
15Ary inona no ifanarahan’ i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ ny anjaran’ ny mino sy ny tsy mino?Select 2 Corinthians 6:15
16Ary inona no ikambanan’ ny tempolin’ Andriamanitra amin’ ny sampy? Fa isika no tempolin’ Andriamanitra velona, araka ny nataon’ Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko.Select 2 Corinthians 6:16
17Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.Select 2 Corinthians 6:17
18Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.Select 2 Corinthians 6:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation