Colossians 2
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’ izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ ny nofo,Select Colossians 2:1
2mba hampifalina ny fony amin’ ny ampiraisana azy amin’ ny fitiavana sy ho amin’ ny haren’ ny fahatokiana be avy amin’ ny fahazavan-tsaina, ho amin’ ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, dia Kristy,Select Colossians 2:2
3Izay iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.Select Colossians 2:3
4Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ ny teny toa marina.Select Colossians 2:4
5Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy.Select Colossians 2:5
6Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,Select Colossians 2:6
7ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ ny fisaorana.Select Colossians 2:7
8Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy.Select Colossians 2:8
9Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra;Select Colossians 2:9
10ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,Select Colossians 2:10
11ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;Select Colossians 2:11
12fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty.Select Colossians 2:12
13Ary ianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;Select Colossians 2:13
14ary novonoiny ny sora-tànan’ ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana,Select Colossians 2:14
15ary nesoriny tsy ho eo amin’ ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’ izay avy nandresy.Select Colossians 2:15
16Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;Select Colossians 2:16
17aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.Select Colossians 2:17
18Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofonySelect Colossians 2:18
19ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’ Andriamanitra.Select Colossians 2:19
20Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’ izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:Select Colossians 2:20
21Aza mandray, aza manandrana, aza manendry ―Select Colossians 2:21
22levona amin’ ny fanaovana ihany izany rehetra izany ― araka ny didy sy ny fampianaran’ olona?Select Colossians 2:22
23Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.Select Colossians 2:23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation