Skip to content
Church.wiki
Colossians

Colossians 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.Select Colossians 4:1

2Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,Select Colossians 4:2

3ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,Select Colossians 4:3

4mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.Select Colossians 4:4

5Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.Select Colossians 4:5

6Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.Select Colossians 4:6

7Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;Select Colossians 4:7

8ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;Select Colossians 4:8

9ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.Select Colossians 4:9

10Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),Select Colossians 4:10

11ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.Select Colossians 4:11

12Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.Select Colossians 4:12

13Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.Select Colossians 4:13

14Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.Select Colossians 4:14

15Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.Select Colossians 4:15

16Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.Select Colossians 4:16

17Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.Select Colossians 4:17

18Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.Select Colossians 4:18

Next: 1 Thessalonians 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Colossians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.