Luke 15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’ i Jesosy.Select Luke 15:1
2Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.Select Luke 15:2
3Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:Select Luke 15:3
4Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?Select Luke 15:4
5ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;Select Luke 15:5
6ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.Select Luke 15:6
7Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.Select Luke 15:7
8Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?Select Luke 15:8
9Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.Select Luke 15:9
10Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka.Select Luke 15:10
11Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.Select Luke 15:11
12Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’ izy mirahalahy ny fananany.Select Luke 15:12
13Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ ny fiveloman-dratsy tany.Select Luke 15:13
14Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’ izany tany izany, ka nahantra izy.Select Luke 15:14
15Dia nandeha izy ka niankina tamin’ ny tompon-tany anankiray tamin’ izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.Select Luke 15:15
16Ary satriny hameno ny kibony tamin’ ny voan-kazo fihinan’ ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.Select Luke 15:16
17Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!Select Luke 15:17
18Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao ahoSelect Luke 15:18
19ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ ny olona karamainao aho.Select Luke 15:19
20Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.Select Luke 15:20
21Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.Select Luke 15:21
22Fa rainy kosa nanao tamin’ ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;Select Luke 15:22
23ary ento ny zanak’ omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;Select Luke 15:23
24fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.Select Luke 15:24
25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.Select Luke 15:25
26Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’ izany zavatra izany.Select Luke 15:26
27Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’ omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.Select Luke 15:27
28Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.Select Luke 15:28
29Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako;Select Luke 15:29
30fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy ianao.Select Luke 15:30
31Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.Select Luke 15:31
32Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.Select Luke 15:32
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation