Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,Select Luke 18:1

2dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.Select Luke 18:2

3Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.Select Luke 18:3

4Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,Select Luke 18:4

5mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.Select Luke 18:5

6Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.Select Luke 18:6

7Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?Select Luke 18:7

8Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?Select Luke 18:8

9Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;Select Luke 18:9

10Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.Select Luke 18:10

11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.Select Luke 18:11

12Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.Select Luke 18:12

13Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.Select Luke 18:13

14Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.Select Luke 18:14

15Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’ i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.Select Luke 18:15

16Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 18:16

17Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.Select Luke 18:17

18Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?Select Luke 18:18

19Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.Select Luke 18:19

20Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.Select Luke 18:20

21Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.Select Luke 18:21

22Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.Select Luke 18:22

23Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.Select Luke 18:23

24Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!Select Luke 18:24

25Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!Select Luke 18:25

26Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?Select Luke 18:26

27Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra.Select Luke 18:27

28Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.Select Luke 18:28

29Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra,Select Luke 18:29

30izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.Select Luke 18:30

31Ary Jesosy naka ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona.Select Luke 18:31

32Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororanySelect Luke 18:32

33ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.Select Luke 18:33

34Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.Select Luke 18:34

35Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.Select Luke 18:35

36Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?Select Luke 18:36

37Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.Select Luke 18:37

38Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.Select Luke 18:38

39Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.Select Luke 18:39

40Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy JesosySelect Luke 18:40

41ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.Select Luke 18:41

42Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.Select Luke 18:42

43Ary niaraka tamin’ izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy izy sady nankalaza an’ Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’ Andriamanitra.Select Luke 18:43

Next: Luke 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.