Luke 2
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ izany andro izany dia nisy didy navoak’ i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ ny vahoaka rehetra amin’ ny fanjakany.Select Luke 2:1
2(Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)Select Luke 2:2
3Dia samy nankany amin’ ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.Select Luke 2:3
4Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),Select Luke 2:4
5mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.Select Luke 2:5
6Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.Select Luke 2:6
7Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.Select Luke 2:7
8Ary nisy mpiandry ondry tamin’ izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ ny alina.Select Luke 2:8
9Ary nisy anjelin’ ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.Select Luke 2:9
10Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;Select Luke 2:10
11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.Select Luke 2:11
12Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;Select Luke 2:12
13Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ ilay anjely teo ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:Select Luke 2:13
14Voninahitra any amin’ ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany.Select Luke 2:14
15Ary tamin’ izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika.Select Luke 2:15
16Dia nandeha faingana izy ka nahita an’ i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.Select Luke 2:16
17Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’ izany Zaza izany.Select Luke 2:17
18Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy.Select Luke 2:18
19Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.Select Luke 2:19
20Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.Select Luke 2:20
21Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon’ ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.Select Luke 2:21
22Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’ i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ ny TompoSelect Luke 2:22
23araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masìna ho an’ i Jehovah.Select Luke 2:23
24ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa.Select Luke 2:24
25Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masìna dia tao aminy.Select Luke 2:25
26Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.Select Luke 2:26
27Ary nentin’ ny Fanahy Masìna niditra teo an-kianjan’ ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ ny zaza,Select Luke 2:27
28dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:Select Luke 2:28
29Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana Araka ny teninao;Select Luke 2:29
30Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,Select Luke 2:30
31Izay namboarinao teo anatrehan’ ny firenena rehetra,Select Luke 2:31
32Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.Select Luke 2:32
33Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.Select Luke 2:33
34Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’ i Maria, renin’ ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ ny Isiraely ary ho famantarana holavinaSelect Luke 2:34
35ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra ― mba haseho ny hevitry ny fo maro.Select Luke 2:35
36Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,Select Luke 2:36
37ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’ alina.Select Luke 2:37
38Ary nony niditra tamin’ izany ora izany izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’ izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.Select Luke 2:38
39Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.Select Luke 2:39
40Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy.Select Luke 2:40
41Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.Select Luke 2:41
42Ary rehefa roa ambin’ ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ ny andro firavoravoana.Select Luke 2:42
43Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;Select Luke 2:43
44ary satria nataony fa niaraka tamin’ ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ ny havany sy ny olom-pantany.Select Luke 2:44
45Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.Select Luke 2:45
46Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.Select Luke 2:46
47Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.Select Luke 2:47
48Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!Select Luke 2:48
49Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?Select Luke 2:49
50Nefa tsy azon’ ireo ny teny izay nolazainy taminy.Select Luke 2:50
51Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.Select Luke 2:51
52Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.Select Luke 2:52
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation