Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 23

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,Select Luke 23:1

2dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.Select Luke 23:2

3Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.Select Luke 23:3

4Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity.Select Luke 23:4

5Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.Select Luke 23:5

6Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.Select Luke 23:6

7Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany.Select Luke 23:7

8Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.Select Luke 23:8

9Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.Select Luke 23:9

10Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.Select Luke 23:10

11Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato.Select Luke 23:11

12Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany.Select Luke 23:12

13Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,Select Luke 23:13

14dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy.Select Luke 23:14

15Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;Select Luke 23:15

16koa hofaizako Izy, dia halefako.Select Luke 23:16

17​Select Luke 23:17

18Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!Select Luke 23:18

19Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.Select Luke 23:19

20Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.Select Luke 23:20

21Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!Select Luke 23:21

22Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.Select Luke 23:22

23Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona.Select Luke 23:23

24Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.Select Luke 23:24

25Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.Select Luke 23:25

26Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy.Select Luke 23:26

27Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.Select Luke 23:27

28Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.Select Luke 23:28

29Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.Select Luke 23:29

30Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay.Select Luke 23:30

31Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina?Select Luke 23:31

32Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.Select Luke 23:32

33Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.Select Luke 23:33

34Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.Select Luke 23:34

35Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.Select Luke 23:35

36Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,Select Luke 23:36

37sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.Select Luke 23:37

38Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.Select Luke 23:38

39Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.Select Luke 23:39

40Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?Select Luke 23:40

41Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.Select Luke 23:41

42Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.Select Luke 23:42

43Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.Select Luke 23:43

44Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany,Select Luke 23:44

45satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.Select Luke 23:45

46Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.Select Luke 23:46

47Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.Select Luke 23:47

48Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.Select Luke 23:48

49Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.Select Luke 23:49

50Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.Select Luke 23:50

51Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 23:51

52Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.Select Luke 23:52

53Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.Select Luke 23:53

54Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.Select Luke 23:54

55Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.Select Luke 23:55

56Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.Select Luke 23:56

Next: Luke 24Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.