Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tamin’ ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin’ ny tànany, dia nohaniny.Select Luke 6:1

2Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata?Select Luke 6:2

3Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,Select Luke 6:3

4fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an’ izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?Select Luke 6:4

5Ary hoy Izy taminy: Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.Select Luke 6:5

6Ary nony tamin’ ny Sabata hafa koa niditra tao amin’ ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.Select Luke 6:6

7Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin’ ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.Select Luke 6:7

8Fa Jesosy nahalala ny hevitr’ ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.Select Luke 6:8

9Ary hoy Jesosy tamin’ ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?Select Luke 6:9

10Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.Select Luke 6:10

11Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.Select Luke 6:11

12Ary tamin’ izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.Select Luke 6:12

13Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,Select Luke 6:13

14dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy BartelemeoSelect Luke 6:14

15sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,Select Luke 6:15

16sy Jodasy, zanak’ i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika.Select Luke 6:16

17Ary Jesosy niara-nidina tamin’ ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin’ ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ ny aretiny;Select Luke 6:17

18ary izay nampahorin’ ny fanahy maloto dia nositranina.Select Luke 6:18

19Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.Select Luke 6:19

20Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 6:20

21Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.Select Luke 6:21

22Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.Select Luke 6:22

23Mifalia ianareo amin’ izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany.Select Luke 6:23

24Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.Select Luke 6:24

25Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo.Select Luke 6:25

26Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany sandoka.Select Luke 6:26

27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’ izay mankahala anareo;Select Luke 6:27

28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo.Select Luke 6:28

29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.Select Luke 6:29

30Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.Select Luke 6:30

31Ary araka izay tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.Select Luke 6:31

32Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.Select Luke 6:32

33Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.Select Luke 6:33

34Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.Select Luke 6:34

35Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.Select Luke 6:35

36Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.Select Luke 6:36

37Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;Select Luke 6:37

38omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.Select Luke 6:38

39Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?Select Luke 6:39

40Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.Select Luke 6:40

41Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?Select Luke 6:41

42Ary ahoana no ilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny maso’ ny rahalahinao.Select Luke 6:42

43Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.Select Luke 6:43

44Fa samy fantatra amin’ ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin’ ny tsilo, na voaloboka amin’ ny voaroy.Select Luke 6:44

45Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ ny rakitra tsaran’ ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ ny haben’ ny ao am-pony no itenenan’ ny vavany.Select Luke 6:45

46Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?Select Luke 6:46

47Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:Select Luke 6:47

48Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.Select Luke 6:48

49Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’ izay izy; ary loza ny naharavan’ izany trano izany.Select Luke 6:49

Next: Luke 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.