Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 9

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jesosy niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.Select Luke 9:1

2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.Select Luke 9:2

3Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin’ ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.Select Luke 9:3

4Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.Select Luke 9:4

5Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin’ izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.Select Luke 9:5

6Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.Select Luke 9:6

7Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan’ ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin’ ny maty;Select Luke 9:7

8ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.Select Luke 9:8

9Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.Select Luke 9:9

10Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin’ i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin’ ny tanàna atao hoe Betsaida.Select Luke 9:10

11Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.Select Luke 9:11

12Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.Select Luke 9:12

13Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an’ ireo olona rehetra ireo.Select Luke 9:13

14Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.Select Luke 9:14

15Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.Select Luke 9:15

16Ary rehefa noraisin’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan’ ny vahoaka.Select Luke 9:16

17Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin’ ny folo harona.Select Luke 9:17

18Ary raha nivavaka tao amin’ ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?Select Luke 9:18

19Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.Select Luke 9:19

20Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin’ Andriamanitra.Select Luke 9:20

21Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin’ olonaSelect Luke 9:21

22ka nanao hoe: Ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana.Select Luke 9:22

23Ary hoy koa Jesosy tamin’ izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy.Select Luke 9:23

24Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.Select Luke 9:24

25Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?Select Luke 9:25

26Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahiny sy ny an’ ny Rainy ary ny an’ ny anjely masìna.Select Luke 9:26

27Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 9:27

28Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’ izany teny izany, dia nitondra an’ i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.Select Luke 9:28

29Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.Select Luke 9:29

30Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,Select Luke 9:30

31izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.Select Luke 9:31

32Ary efa navesatry ny tory ny mason’ i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’ i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.Select Luke 9:32

33Ary tamin’ ny nisarahan’ izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin’ i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.Select Luke 9:33

34Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.Select Luke 9:34

35Ary nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.Select Luke 9:35

36Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin’ olona na dia iray akory aza tamin’ izany andro izany ny amin’ izay zavatra efa hitany.Select Luke 9:36

37Ary nony ampitson’ iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an’ i Jesosy.Select Luke 9:37

38Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin’ ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masìna Hianao, mamindrà fo amin’ ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.Select Luke 9:38

39Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.Select Luke 9:39

40Ary nangataka tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.Select Luke 9:40

41Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.Select Luke 9:41

42Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.Select Luke 9:42

43Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan’ Andriamanitra. Ny nilazan’ i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin’ izay rehetra nataon’ i Jesosy, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:Select Luke 9:43

44Ampidironareo ao amin’ ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak’ olona efa hatolotra eo an-tànan’ ny olona.Select Luke 9:44

45Nefa tsy azon’ ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin’ io teny io izy.Select Luke 9:45

46Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin’ izay ho lehibe ao aminy.Select Luke 9:46

47Ary Jesosy nahalala ny fisainan’ ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;Select Luke 9:47

48ary hoy Izy tamin’ ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.Select Luke 9:48

49Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.Select Luke 9:49

50Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.Select Luke 9:50

51Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an’ i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.Select Luke 9:51

52Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ ny vohitra anankiray izay an’ ny Samaritana hamboatra ho Azy.Select Luke 9:52

53Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.Select Luke 9:53

54Ary raha hitan’ i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?Select Luke 9:54

55Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.Select Luke 9:55

56Dia nankany amin’ ny vohitra hafa Izy.Select Luke 9:56

57Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin’ i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.Select Luke 9:57

58Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.Select Luke 9:58

59Ary hoy Izy tamin’ ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.Select Luke 9:59

60Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 9:60

61Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.Select Luke 9:61

62Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 9:62

Next: Luke 10Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.