Nehemiah 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,Select Nehemiah 12:1
2Amaria, Maloka, Hatosy,Select Nehemiah 12:2
3Sekania, Rehoma, Meremota,Select Nehemiah 12:3
4Ido, Ginetoy, Abia,Select Nehemiah 12:4
5Miamina, Madia, Bilga,Select Nehemiah 12:5
6Semaia, Joiariba, Jedaia,Select Nehemiah 12:6
7Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan’ ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin’ ny andron’ i Jesoa.Select Nehemiah 12:7
8Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ ny fiderana.Select Nehemiah 12:8
9Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin’ ireo, dia nifanandrify tamin’ ny anjara-raharahany.Select Nehemiah 12:9
10Ary Jesoa niteraka an’ i Joiakima; ary Joiakima niteraka an’ i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an’ i Joiada;Select Nehemiah 12:10
11ary Joiada niteraka an’ i Jonatana; ary Jonatana niteraka an’ i Jadoa.Select Nehemiah 12:11
12Ary tamin’ ny andron’ i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’ i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’ i Jeremia dia Hanania;Select Nehemiah 12:12
13ny avy tamin’ i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin’ i Amaria dia Johanana;Select Nehemiah 12:13
14ny avy tamin’ i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin’ i Sebania dia Josefa;Select Nehemiah 12:14
15ny avy tamin’ i Hadma dia Adna; ny avy tamin’ i Meraiota dia Helkay;Select Nehemiah 12:15
16ny avy tamin’ Ido dia Zakaria; ny avy tamin’ i Ginetona dia Mesolama;Select Nehemiah 12:16
17ny avy tamin’ i Abia dia Zikry; ny avy tamin’ i Miniamina, avy tamin’ i Moadia, dia Piltahy;Select Nehemiah 12:17
18ny avy tamin’ i Bilga dia Samoa; ny avy tamin’ i Semaia dia Jonatana;Select Nehemiah 12:18
19ny avy tamin’ i Joariba dia Matenay; ny avy tamin’ i Jedaia dia Ozy;Select Nehemiah 12:19
20ny avy tamin’ i Salay dia Kalay; ny avy tamin’ i Amoka dia Ebera;Select Nehemiah 12:20
21ny avy tamin’ i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin’ i Jedaia dia Netanela.Select Nehemiah 12:21
22Tamin’ ny andron’ i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan’ ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy Persiana.Select Nehemiah 12:22
23Ny taranak’ i Levy, lohan’ ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantara hatramin’ ny andron’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba.Select Nehemiah 12:23
24Ary ny lohan’ ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’ i Kadmiela, mbamin’ ny rahalahin’ ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.Select Nehemiah 12:24
25Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin’ ny trano firaketana.Select Nehemiah 12:25
26Ireo no tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy tamin’ ny andron’ i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.Select Nehemiah 12:26
27Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.Select Nehemiah 12:27
28Dia niangona ny mpihira avy tamin’ ny tany lemaka manodidina an’ i Jerosalema sy ny avy tamin’ ny vohitry ny NetofatitaSelect Nehemiah 12:28
29sy Beti-gilgala ary ny sahan’ i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’ i Jerosalema ny mpihira.Select Nehemiah 12:29
30Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.Select Nehemiah 12:30
31Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin’ ny ankavanana teo ambonin’ ny manda ho amin’ ny vavahadin-jezika;Select Nehemiah 12:31
32ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin’ ny Joda,Select Nehemiah 12:32
33dia Azaria sy Ezra sy MesolamaSelect Nehemiah 12:33
34sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,Select Nehemiah 12:34
35ary ny sasany tamin’ ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Semaia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mikaia, zanak’ i Zakora, zanak’ i Asafa,Select Nehemiah 12:35
36mbamin’ ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan’ ireo.Select Nehemiah 12:36
37Ary hatreo amin’ ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongan’ ny Tanànan’ i Davida, tamin’ ny fiakarana amin’ ny manda eo ambonin’ ny tranon’ i Davida ka hatramin’ ny vavahadin-drano eo atsinanana.Select Nehemiah 12:37
38Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin’ ny manda hatreo ambonin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin’ ny manda lehibe,Select Nehemiah 12:38
39ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.Select Nehemiah 12:39
40Dia nijanona tao an-tranon’ Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamikoSelect Nehemiah 12:40
41ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,Select Nehemiah 12:41
42ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.Select Nehemiah 12:42
43Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin’ izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.Select Nehemiah 12:43
44Ary tamin’ izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian’ ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.Select Nehemiah 12:44
45Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin’ Andriamaniny sy ny amin’ ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin’ i Davida sy Solomona zanany.Select Nehemiah 12:45
46Fa fahiny tamin’ ny andron’ i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’ Andriamanitra.Select Nehemiah 12:46
47Ary ny Isiraely rehetra tamin’ ny andron’ i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran’ ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan’ andro; ary nanokana izay ho an’ ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ ny taranak’ i Arona.Select Nehemiah 12:47
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation