Skip to content
Church.wiki
Nehemiah

Nehemiah 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),Select Nehemiah 6:1

2dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin’ izay vohitra anankiray amin’ ny tany lemak’ i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.Select Nehemiah 6:2

3Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midìna aho; nahoana no hilaozako midìna any aminareo ny asa ka hatsahatra?Select Nehemiah 6:3

4Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.Select Nehemiah 6:4

5Dia nirahin’ i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,Select Nehemiah 6:5

6izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ ny firenena maro izao teny izao, sady lazain’ i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,Select Nehemiah 6:6

7sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren’ ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.Select Nehemiah 6:7

8Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.Select Nehemiah 6:8

9Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin’ ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!Select Nehemiah 6:9

10Ary izaho dia tonga tao an-tranon’ i Semaia, zanak’ i Delaia, zanak’ i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon’ Andriamanitra ao anatin’ ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.Select Nehemiah 6:10

11Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.Select Nehemiah 6:11

12Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.Select Nehemiah 6:12

13Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.Select Nehemiah 6:13

14Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin’ i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.Select Nehemiah 6:14

15Dia vita tamin’ ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin’ ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin’ ny volana Elola.Select Nehemiah 6:15

16Ary rehefa ren’ ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.Select Nehemiah 6:16

17Ary tamin’ izany andro izany ny manan-kaja amin’ ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’ i Tobia, ary ny avy tamin’ i Tobia kosa tonga tany aminy.Select Nehemiah 6:17

18Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton’ i Sekania, zanak’ i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin’ i Mesolama, zanak’ i Berekia.Select Nehemiah 6:18

19Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.Select Nehemiah 6:19

Next: Nehemiah 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Nehemiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.