Daniel 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.Select Daniel 1:1
2Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.Select Daniel 1:2
3Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Aspenaza, lehiben’ ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely, dia amin’ ny zanak’ andriana na amin’ ny ambony firazanana,Select Daniel 1:3
4dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.Select Daniel 1:4
5Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ ireo isan’ andro avy tamin’ ny haniny sy avy tamin’ ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka izy.Select Daniel 1:5
6Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.Select Daniel 1:6
7Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.Select Daniel 1:7
8Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.Select Daniel 1:8
9Dia nataon’ Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ ilay lehiben’ ny tandapa Daniela.Select Daniel 1:9
10Ary hoy ilay lehiben’ ny tandapa tamin’ i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?Select Daniel 1:10
11Dia hoy Daniela tamin’ ny mpiadidy, izay notendren’ ny lehiben’ ny tandapa ho mpiadidy an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:Select Daniel 1:11
12Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.Select Daniel 1:12
13Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ ny hanin’ ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ ny mpanomponao.Select Daniel 1:13
14Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.Select Daniel 1:14
15Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka.Select Daniel 1:15
16Dia najanon’ ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.Select Daniel 1:16
17Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’ Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ ny fahitana sy ny nofy rehetra.Select Daniel 1:17
18Ary nony tonga ny andro nasain’ ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’ i Nebokadnezara izy.Select Daniel 1:18
19Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.Select Daniel 1:19
20Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.Select Daniel 1:20
21Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy mpanjaka.Select Daniel 1:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain