Skip to content
Church.wiki
1 Thessalonians

1 Thessalonians 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary amin’ izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,Select 1 Thessalonians 3:1

2ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny filazantsaran’ i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin’ ny finoanareo,Select 1 Thessalonians 3:2

3mba tsy hisy ho taitra amin’ izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin’ izao no nanendrena antsika.Select 1 Thessalonians 3:3

4Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.Select 1 Thessalonians 3:4

5Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.Select 1 Thessalonians 3:5

6Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin’ ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,―Select 1 Thessalonians 3:6

7noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin’ ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;Select 1 Thessalonians 3:7

8fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin’ ny Tompo ianareo.Select 1 Thessalonians 3:8

9Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an’ Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan’ Andriamanitray,Select 1 Thessalonians 3:9

10amin’ ny fangatahanay fatratra andro aman’ alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin’ ny finoanareo?Select 1 Thessalonians 3:10

11Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳSelect 1 Thessalonians 3:11

12Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,Select 1 Thessalonians 3:12

13mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ ny fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra Raintsika amin’ ny fihavian’ i Jesosy Tompontsika mbamin’ ny masiny rehetra.Select 1 Thessalonians 3:13

Next: 1 Thessalonians 4Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Thessalonians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.