1 Thessalonians 4
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.Select 1 Thessalonians 4:1
2Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.Select 1 Thessalonians 4:2
3Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,Select 1 Thessalonians 4:3
4mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ ny fahamasinana sy ny voninahitra,Select 1 Thessalonians 4:4
5tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,Select 1 Thessalonians 4:5
6mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.Select 1 Thessalonians 4:6
7Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.Select 1 Thessalonians 4:7
8Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masìna.Select 1 Thessalonians 4:8
9Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.Select 1 Thessalonians 4:9
10Fa manao izany ihany ianareo amin’ ny rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,Select 1 Thessalonians 4:10
11ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,Select 1 Thessalonians 4:11
12mba handehananareo amin’ izay fitondran-tena mahamendrika amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.Select 1 Thessalonians 4:12
13Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.Select 1 Thessalonians 4:13
14Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.Select 1 Thessalonians 4:14
15Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.Select 1 Thessalonians 4:15
16Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;Select 1 Thessalonians 4:16
17ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.Select 1 Thessalonians 4:17
18Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.Select 1 Thessalonians 4:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation