2 Timothy 2
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.Select 2 Timothy 2:1
2Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.Select 2 Timothy 2:2
3Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.Select 2 Timothy 2:3
4Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.Select 2 Timothy 2:4
5Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.Select 2 Timothy 2:5
6Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.Select 2 Timothy 2:6
7Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao.Select 2 Timothy 2:7
8Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako,Select 2 Timothy 2:8
9izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.Select 2 Timothy 2:9
10Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay.Select 2 Timothy 2:10
11Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;Select 2 Timothy 2:11
12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;Select 2 Timothy 2:12
13fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.Select 2 Timothy 2:13
14Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,Select 2 Timothy 2:14
15Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.Select 2 Timothy 2:15
16Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,Select 2 Timothy 2:16
17ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,Select 2 Timothy 2:17
18izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany.Select 2 Timothy 2:18
19Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”Select 2 Timothy 2:19
20Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.Select 2 Timothy 2:20
21Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra.Select 2 Timothy 2:21
22Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.Select 2 Timothy 2:22
23Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.Select 2 Timothy 2:23
24Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,Select 2 Timothy 2:24
25mananatra ny mpanohitra amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,Select 2 Timothy 2:25
26ka hody ny sainy ho afaka amin’ ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.Select 2 Timothy 2:26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation