Skip to content
Church.wiki
2 Timothy

2 Timothy 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.Select 2 Timothy 3:1

2Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masìna,Select 2 Timothy 3:2

3tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,Select 2 Timothy 3:3

4mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,Select 2 Timothy 3:4

5manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.Select 2 Timothy 3:5

6Fa isan’ ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ ny fahotana, entin’ ny filàna maro,Select 2 Timothy 3:6

7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.Select 2 Timothy 3:7

8Ary tahaka ny nanoheran’ i Jana sy Jambra an’ i Mosesy no anoheran’ ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.Select 2 Timothy 3:8

9Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ ny olona rehetra, tahaka ny an’ ireo koa.Select 2 Timothy 3:9

10Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,Select 2 Timothy 3:10

11ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany.Select 2 Timothy 3:11

12Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina.Select 2 Timothy 3:12

13Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.Select 2 Timothy 3:13

14Fa ianao kosa dia mahareta amin’ izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;Select 2 Timothy 3:14

15fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masìna, izay mampahahendry anao ho amin’ ny famonjena amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.Select 2 Timothy 3:15

16Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana,Select 2 Timothy 3:16

17mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.Select 2 Timothy 3:17

Next: 2 Timothy 4Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Timothy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.