Leviticus 17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 17:1
2Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian’ i Jehovah:Select Leviticus 17:2
3Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely no mamono omby, na zanak’ ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ ny toby,Select Leviticus 17:3
4ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy,Select Leviticus 17:4
5mba ho entin’ ny Zanak’ isiraely ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ho amin’ ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah izany.Select Leviticus 17:5
6Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin’ ny alitaran’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 17:6
7Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an’ ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranany fara mandimby izany.Select Leviticus 17:7
8Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,Select Leviticus 17:8
9ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 17:9
10Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.Select Leviticus 17:10
11Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.Select Leviticus 17:11
12Koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.Select Leviticus 17:12
13Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin’ ny tany ny ràny ka hototofany;Select Leviticus 17:13
14fa ny amin’ ny amin’ ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ ny nofo; fa ny ràny no ain’ ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.Select Leviticus 17:14
15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.Select Leviticus 17:15
16Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.Select Leviticus 17:16
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation