Leviticus 21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ ny fireneny,Select Leviticus 21:1
2afa-tsy amin’ ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;Select Leviticus 21:2
3ary amin’ ny fatin’ ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.Select Leviticus 21:3
4Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin’ ny fireneny izy.Select Leviticus 21:4
5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.Select Leviticus 21:5
6Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.Select Leviticus 21:6
7Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ ny lahy; fa masìna ho an’ Andriamaniny ny mpisorona.Select Leviticus 21:7
8Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.Select Leviticus 21:8
9Ary raha ny zanakavavin’ ny mpisorona mandoto ny tenany amin’ ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ ny afo.Select Leviticus 21:9
10Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin’ ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.Select Leviticus 21:10
11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin’ ny rainy aman-dreniny aza.Select Leviticus 21:11
12Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ ny fitoerana masìna izy, na handoto ny fitoera-masin’ Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’ Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 21:12
13Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.Select Leviticus 21:13
14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ ny fireneny ihany no hampakariny.Select Leviticus 21:14
15Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin’ ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.Select Leviticus 21:15
16Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 21:16
17Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny;Select Leviticus 21:17
18Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,Select Leviticus 21:18
19na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,Select Leviticus 21:19
20na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin’ ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.Select Leviticus 21:20
21Ny olona rehetra amin’ ny zanak’ i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’ Andriamaniny.Select Leviticus 21:21
22Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;Select Leviticus 21:22
23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.Select Leviticus 21:23
24Ary Mosesy dia nilaza izany tamin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra.Select Leviticus 21:24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation