Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 23

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 23:1

2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny amin’ ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masìna, dia izao no izy:Select Leviticus 23:2

3Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masìna; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an’ i Jehovah eny amin’ izay fonenanareo rehetra izany.Select Leviticus 23:3

4Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, dia fivoriana masìna hantsoinareo amin’ ny fotoany avy:Select Leviticus 23:4

5Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah.Select Leviticus 23:5

6Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.Select Leviticus 23:6

7Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;Select Leviticus 23:7

8fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah hafitoana; ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.Select Leviticus 23:8

9Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 23:9

10Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ ny mpisorona ianareo;Select Leviticus 23:10

11ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’ i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin’ ny ampitson’ ny Sabata no hanevahevan’ ny mpisorona azy.Select Leviticus 23:11

12Ary amin’ izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak’ ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 23:12

13Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.Select Leviticus 23:13

14Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’ Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.Select Leviticus 23:14

15Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.Select Leviticus 23:15

16Dia amin’ ny ampitson’ ny Sabata fahafito no hahataperan’ ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah indray.Select Leviticus 23:16

17Ary mitondrà mofo roa avy amin’ ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ ny koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’ i Jehovah izany.Select Leviticus 23:17

18Ary manatera miaraka amin’ ny mofo zanak’ ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr’ ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 23:18

19Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak’ ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.Select Leviticus 23:19

20Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin’ ny mofon’ ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah mbamin’ ny zanak’ ondrilahy roa koa; ireo dia ho masìna ho an’ i Jehovah ho anjaran’ ny mpisorona.Select Leviticus 23:20

21Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masìna ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.Select Leviticus 23:21

22Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao, fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 23:22

23Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 23:23

24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.Select Leviticus 23:24

25Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 23:25

26Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 23:26

27Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masìna ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 23:27

28Ary aza manao raharaha akory amin’ izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 23:28

29Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin’ izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 23:29

30Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin’ izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 23:30

31Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay rehetra honenanareo.Select Leviticus 23:31

32Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin’ ny andro fahasivy amin’ ny volana, rehefa hariva dia hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.Select Leviticus 23:32

33Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 23:33

34Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 23:34

35Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna: aza manao tao-zavatra akory.Select Leviticus 23:35

36Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masìna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.Select Leviticus 23:36

37Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masìna, hanaterana fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin’ ny fotoany avy izy rehetra,Select Leviticus 23:37

38afa-tsy izay fanao amin’ ny Sabatan’ i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 23:38

39Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.Select Leviticus 23:39

40Ary amin’ ny andro voalohany dia makà voan’ ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.Select Leviticus 23:40

41Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany; amin’ ny volana fahafito no hitandremanareo azy.Select Leviticus 23:41

42Ao amin’ ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely dia samy hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo avokoa,Select Leviticus 23:42

43mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’ Isiraely tao amin’ ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 23:43

44Ary Mosesy dia nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah.Select Leviticus 23:44

Next: Leviticus 24Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.