Leviticus 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 24:1
2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.Select Leviticus 24:2
3Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany.Select Leviticus 24:3
4Eo amin’ ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.Select Leviticus 24:4
5Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray.Select Leviticus 24:5
6Ary mandahara ireo eo ambonin’ ny latabatra tsara eo anatrehan’ i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.Select Leviticus 24:6
7Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 24:7
8Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah; ho avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.Select Leviticus 24:8
9Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.Select Leviticus 24:9
10Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ ny Zanak’ Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.Select Leviticus 24:10
11Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);Select Leviticus 24:11
12ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah.Select Leviticus 24:12
13Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 24:13
14Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.Select Leviticus 24:14
15Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka,Select Leviticus 24:15
16Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.Select Leviticus 24:16
17Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.Select Leviticus 24:17
18Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon’ ny biby.Select Leviticus 24:18
19Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:Select Leviticus 24:19
20tapaka solon’ ny tapaka, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ ny olona no hatao aminy kosa.Select Leviticus 24:20
21Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.Select Leviticus 24:21
22Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 24:22
23Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Leviticus 24:23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation