Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 4:1

2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:Select Leviticus 4:2

3raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 4:3

4Ary hitondra ny vantotr’ ombilahy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan’ i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan’ i Jehovah.Select Leviticus 4:4

5Ary hangalan’ ny mpisorona voahosotra ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana;Select Leviticus 4:5

6ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny efitra lamba ao amin’ ny fitoerana masìna;Select Leviticus 4:6

7ary hotentenan’ ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah, izay ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin’ ny vantotr’ ombilahy dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 4:7

8Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin’ ny vantotr’ ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,Select Leviticus 4:8

9ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany,Select Leviticus 4:9

10tahaka ny fanalana azy amin’ ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.Select Leviticus 4:10

11Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,Select Leviticus 4:11

12dia ny tenan’ ny vantotr’ ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan’ ny toby ho amin’ izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin’ ny kitay amin’ ny afo izy; eo amin’ ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.Select Leviticus 4:12

13Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ ny mason’ ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao izy ka meloka,Select Leviticus 4:13

14rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr’ ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 4:14

15Ary ny loholon’ ny fiangonana hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny vantotr’ ombilahy dia hovonoina eo anatrehan’ i Jehovah.Select Leviticus 4:15

16Ary hangalan’ ny mpisorona voahosotra ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana,Select Leviticus 4:16

17ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, dia eo anoloan’ ny efitra lamba.Select Leviticus 4:17

18Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 4:18

19Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara.Select Leviticus 4:19

20Ary ny vantotr’ ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny vantotr’ ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an’ ny olona, dia havela ny helony.Select Leviticus 4:20

21Ary ny vantotr’ ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr’ ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an’ ny fiangonana izany.Select Leviticus 4:21

22Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah Andriamaniny amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,Select Leviticus 4:22

23ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;Select Leviticus 4:23

24ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin’ ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.Select Leviticus 4:24

25Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;Select Leviticus 4:25

26ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.Select Leviticus 4:26

27Ary raha misy amin’ ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,Select Leviticus 4:27

28ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho’ ny fahotany izay nataony.Select Leviticus 4:28

29Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin’ ny fitoeran’ ny fanatitra dorana.Select Leviticus 4:29

30Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.Select Leviticus 4:30

31Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.Select Leviticus 4:31

32Ary raha zanak’ ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;Select Leviticus 4:32

33ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana.Select Leviticus 4:33

34Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.Select Leviticus 4:34

35Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny zanak’ ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.Select Leviticus 4:35

Next: Leviticus 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.