Leviticus 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 6:1
2Mandidia an’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin’ ny fatana eo an-tampon’ ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon’ ny alitara hirehitra eo.Select Leviticus 6:2
3Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.Select Leviticus 6:3
4Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ ny toby amin’ izay fitoerana madio.Select Leviticus 6:4
5Ary ny afo eo ambonin’ ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny saboran’ ny fanati-pihavanana.Select Leviticus 6:5
6Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ ny alitara ka tsy havela ho faty.Select Leviticus 6:6
7Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’ i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah eo anoloan’ ny alitara.Select Leviticus 6:7
8Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin’ ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 6:8
9Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 6:9
10Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho Ahy izany; masìna dia masìna izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.Select Leviticus 6:10
11Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.Select Leviticus 6:11
12Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 6:12
13Izao no fanatitr’ i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’ i Jehovah amin’ izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan’ andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.Select Leviticus 6:13
14Amin’ ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 6:14
15Ary ilay mpisorona avy amin’ ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an’ i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;Select Leviticus 6:15
16fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin’ ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.Select Leviticus 6:16
17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 6:17
18Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.Select Leviticus 6:18
19ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 6:19
20Ho masìna izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan’ ny ràny, dia hosasanao eo amin’ izay fitoerana masìna izay ipitihany.Select Leviticus 6:20
21Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.Select Leviticus 6:21
22Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masìna dia masìna izany.Select Leviticus 6:22
23Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.Select Leviticus 6:23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation