Skip to content
Church.wiki
Romans

Romans 11

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’ taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i Benjamina.Select Romans 11:1

2Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain’ ny Soratra Masìna eo amin’ ny tantaran’ i Elia, dia ilay fitarainany tamin’ Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:Select Romans 11:2

3Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy?.Select Romans 11:3

4Fa ahoana no navalin’ Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ i Bala.Select Romans 11:4

5Dia toy izany koa amin’ izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ ny fahasoavana.Select Romans 11:5

6Ary raha avy amin’ ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.Select Romans 11:6

7Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ ny sisa;Select Romans 11:7

8araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androanySelect Romans 11:8

9Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;Select Romans 11:9

10Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy.Select Romans 11:10

11Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona azy.Select Romans 11:11

12Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.Select Romans 11:12

13Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,Select Romans 11:13

14raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.Select Romans 11:14

15Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty ny fandraisana azy?Select Romans 11:15

16Ary koa, raha masìna ny santatra, dia masìna koa ny vongany; ary raha masìna ny fakany, dia masìna koa ny sampany.Select Romans 11:16

17Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky ny hazo olivaSelect Romans 11:17

18dia aza mirehareha amin’ ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.Select Romans 11:18

19Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.Select Romans 11:19

20Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;Select Romans 11:20

21fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.Select Romans 11:21

22Koa indro ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’ izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’ Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.Select Romans 11:22

23Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin’ ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon’ Andriamanitra atsofoka indray izy.Select Romans 11:23

24Fa raha notapahina tamin’ ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin’ ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin’ ny hazo oliva nanapahana azy.Select Romans 11:24

25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;Select Romans 11:25

26ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, ― araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy;Select Romans 11:26

27Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.Select Romans 11:27

28Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.Select Romans 11:28

29Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.Select Romans 11:29

30Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’ Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ ireny no nahazoanareo famindram-po,Select Romans 11:30

31dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.Select Romans 11:31

32Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra.Select Romans 11:32

33Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!Select Romans 11:33

34Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?Select Romans 11:34

35Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?Select Romans 11:35

36Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.Select Romans 11:36

Next: Romans 12Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Romans

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.