Skip to content
Church.wiki
Romans

Romans 12

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.Select Romans 12:1

2Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.Select Romans 12:2

3Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.Select Romans 12:3

4Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,Select Romans 12:4

5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.Select Romans 12:5

6Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;Select Romans 12:6

7raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana;Select Romans 12:7

8raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.Select Romans 12:8

9Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara.Select Romans 12:9

10Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra.Select Romans 12:10

11Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo.Select Romans 12:11

12Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana.Select Romans 12:12

13Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.Select Romans 12:13

14Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.Select Romans 12:14

15Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.Select Romans 12:15

16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.Select Romans 12:16

17Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra.Select Romans 12:17

18Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.Select Romans 12:18

19Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.Select Romans 12:19

20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.Select Romans 12:20

21Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.Select Romans 12:21

Next: Romans 13Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Romans

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.