Romans 15
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.Select Romans 15:1
2Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’ izay hahasoa sy hampandroso azy.Select Romans 15:2
3Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.Select Romans 15:3
4Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ ny Soratra Masìna.Select Romans 15:4
5Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’ i Kristy Jesosy,Select Romans 15:5
6mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika.Select Romans 15:6
7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’ i Kristy anareo koa ho voninahitr’ Andriamanitra.Select Romans 15:7
8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ ny voafora noho ny fahamarinan’ Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ ny razana,Select Romans 15:8
9mba hankalazan’ ny jentilisa an’ Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao.Select Romans 15:9
10Ary hoy koa Izy: Miravoravoa, ry jentilisa, mbamin’ ny olony.Select Romans 15:10
11Ary koa: Midera’ an’ i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra.Select Romans 15:11
12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’ i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ ny jentilisa.Select Romans 15:12
13Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ ny fanantenana noho ny herin’ ny Fanahy Masìna.Select Romans 15:13
14Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.Select Romans 15:14
15Kanefa amin’ ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’ Andriamanitra ahy,Select Romans 15:15
16mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.Select Romans 15:16
17Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’ i Kristy Jesosy aho noho ny amin’ Andriamanitra.Select Romans 15:17
18Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’ i Kristy ahy, na tamin’ ny teny, na tamin’ ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,Select Romans 15:18
19dia tamin’ ny herin’ ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masìna, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’ i Kristy.Select Romans 15:19
20Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’ izay efa niantsoana an’ i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’ izay efa naorin’ ny sasany aho;Select Romans 15:20
21fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra.Select Romans 15:21
22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.Select Romans 15:22
23Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin’ ireto tany ireto sady efa naniry hatramin’ ny taona maro hankany aminareo aho,Select Romans 15:23
24raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin’ ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.Select Romans 15:24
25Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masìna.Select Romans 15:25
26Fa efa sitrapon’ Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ ny olona masìna any Jerosalema.Select Romans 15:26
27Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ ny zavatra momba ny nofo izy.Select Romans 15:27
28Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.Select Romans 15:28
29Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ ny fitahian’ i Kristy.Select Romans 15:29
30Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’ i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ ny fivavahanareo amin’ Andriamanitra ho ahy,Select Romans 15:30
31mba ho voavonjy amin’ ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ ny ny olona masìna izay fanompoana hataoko any Jerosalema,Select Romans 15:31
32mba hankanesako any aminareo amin’ ny fifaliana, raha sitrapon’ Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.Select Romans 15:32
33Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.Select Romans 15:33
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain