Skip to content
Church.wiki
Romans

Romans 2

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.Select Romans 2:1

2Nefa fantatsika fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia araka ny marina amin’ izay manao toy izany.Select Romans 2:2

3Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’ Andriamanitra ianao?Select Romans 2:3

4Sa hamavoinao ny haren’ ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?Select Romans 2:4

5Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra,Select Romans 2:5

6Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:Select Romans 2:6

7ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;Select Romans 2:7

8fa ho an’ izay mitady ny ho an’ ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,Select Romans 2:8

9eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa;Select Romans 2:9

10fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.Select Romans 2:10

11Fa tsy misy fizahan-tavan’ olona amin’ Andriamanitra.Select Romans 2:11

12Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.Select Romans 2:12

13Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’ Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;Select Romans 2:13

14fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;Select Romans 2:14

15fa ireo maneho ny asan’ ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,―Select Romans 2:15

16amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, araka ny filazantsarako amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.Select Romans 2:16

17Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ ny lalàna sy manao an’ Andriamanitra ho reharehanaoSelect Romans 2:17

18ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianaoSelect Romans 2:18

19ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ ny maizina,Select Romans 2:19

20mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:Select Romans 2:20

21ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?Select Romans 2:21

22Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?Select Romans 2:22

23Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’ Andriamanitra ihany va ianao amin’ ny andikanao ny lalàna?Select Romans 2:23

24Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra any amin’ ny jentilisa.Select Romans 2:24

25Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.Select Romans 2:25

26Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?Select Romans 2:26

27Ary tsy hohelohin’ ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?Select Romans 2:27

28Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ ny nofo no famorana;Select Romans 2:28

29fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ ny fo, amin’ ny fanahy, fa tsy amin’ ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ ny olona, fa avy amin’ Andriamanitra.Select Romans 2:29

Next: Romans 3Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Romans

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.