Romans 4
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Inona ary no holazaintsika ho efa azon’ i Abrahama, razantsika araka ny nofo?Select Romans 4:1
2Fa raha asa no nanamarinana an’ i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’ Andriamanitra.Select Romans 4:2
3Fa ahoana hoy ny Soratra Masìna? Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.Select Romans 4:3
4Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.Select Romans 4:4
5Fa ho an’ izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.Select Romans 4:5
6Dia araka izany koa no ilazan’ i Davida fa sambatra ny olona izay isain’ Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ ny asa, hoe:Select Romans 4:6
7Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.Select Romans 4:7
8Sambatra izay olona tsy hisain’ i Jehovah heloka.Select Romans 4:8
9Koa izany fahasambarana izany moa an’ ny voafora ihany va, sa an’ ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’ i Abrahama.Select Romans 4:9
10Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’ izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’ izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.Select Romans 4:10
11Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ ireny ny fahamarinana,Select Romans 4:11
12ary ho rain’ ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ ny finoan’ i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.Select Romans 4:12
13Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ ny finoana, no nahazoan’ i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.Select Romans 4:13
14Fa raha izay amin’ ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;Select Romans 4:14
15fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.Select Romans 4:15
16Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ ny taranaka rehetra,― tsy ho an’ izay amin’ ny lalàna ihany, fa ho an’ izay amin’ ny finoan’ i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra ―Select Romans 4:16
17araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao ― teo anatrehan’ izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.Select Romans 4:17
18Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.Select Romans 4:18
19Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ ny kibon’ i Saraha,Select Romans 4:19
20ary tsy niahanahana ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ ny finoana ka nanome voninahitra an’ AndriamanitraSelect Romans 4:20
21ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.Select Romans 4:21
22Dia nisaina ho fahamarinany izany.Select Romans 4:22
23Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,Select Romans 4:23
24fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’ i Jesosy Tompontsika tamin’ ny maty,Select Romans 4:24
25Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.Select Romans 4:25
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain