Skip to content
Church.wiki
Mark

Mark 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.Select Mark 1:1

2Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;Select Mark 1:2

3Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,Select Mark 1:3

4dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.Select Mark 1:4

5Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.Select Mark 1:5

6Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.Select Mark 1:6

7Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.Select Mark 1:7

8Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna.Select Mark 1:8

9Ary tamin’ izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’ i Jaona batisa tao Jordana.Select Mark 1:9

10Ary raha vao niakatra avy teo amin’ ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Select Mark 1:10

11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.Select Mark 1:11

12Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.Select Mark 1:12

13Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.Select Mark 1:13

14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ AndriamanitraSelect Mark 1:14

15ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.Select Mark 1:15

16Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.Select Mark 1:16

17Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.Select Mark 1:17

18Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.Select Mark 1:18

19Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.Select Mark 1:19

20Dia niantso azy niaraka tamin’ izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’ i Jesosy.Select Mark 1:20

21Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ ny Sabata, dia niditra tao amin’ ny synagoga niaraka tamin’ izay Jesosy ka nampianatra.Select Mark 1:21

22Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.Select Mark 1:22

23Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahySelect Mark 1:23

24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.Select Mark 1:24

25Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao ka mivoaha aminy.Select Mark 1:25

26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.Select Mark 1:26

27Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.Select Mark 1:27

28Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’ izay teny tontolo eny tamin’ ny tany rehetra eran’ i Galilia.Select Mark 1:28

29Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.Select Mark 1:29

30Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.Select Mark 1:30

31Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.Select Mark 1:31

32Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.Select Mark 1:32

33Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.Select Mark 1:33

34Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.Select Mark 1:34

35Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.Select Mark 1:35

36Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.Select Mark 1:36

37Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.Select Mark 1:37

38Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.Select Mark 1:38

39Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ ny synagogan’ ny olona eran’ i Galilia sady namoaka ny demonia.Select Mark 1:39

40Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.Select Mark 1:40

41Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.Select Mark 1:41

42Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.Select Mark 1:42

43Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izaySelect Mark 1:43

44ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.Select Mark 1:44

45Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.Select Mark 1:45

Next: Mark 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Mark

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.