Mark 10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisin-tanin’ i Jodia sy tany an-dafin’ i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.Select Mark 10:1
2Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?Select Mark 10:2
3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?Select Mark 10:3
4Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.Select Mark 10:4
5Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;Select Mark 10:5
6fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.Select Mark 10:6
7Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;Select Mark 10:7
8ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.Select Mark 10:8
9Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.Select Mark 10:9
10Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.Select Mark 10:10
11Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.Select Mark 10:11
12Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.Select Mark 10:12
13Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.Select Mark 10:13
14Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Mark 10:14
15Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.Select Mark 10:15
16Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.Select Mark 10:16
17Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?Select Mark 10:17
18Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.Select Mark 10:18
19Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.Select Mark 10:19
20Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.Select Mark 10:20
21Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.Select Mark 10:21
22Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’ izany teny izany, ka niala tamin’ alahelo izy, satria nanana harena be.Select Mark 10:22
23Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!Select Mark 10:23
24Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!Select Mark 10:24
25Moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Mark 10:25
26Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?.Select Mark 10:26
27Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra.Select Mark 10:27
28Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.Select Mark 10:28
29Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,Select Mark 10:29
30ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.Select Mark 10:30
31Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.Select Mark 10:31
32Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo AzySelect Mark 10:32
33ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;Select Mark 10:33
34ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.Select Mark 10:34
35Ary Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, nanatona an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.Select Mark 10:35
36Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?Select Mark 10:36
37Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny an-kavianao, any amin’ ny voninahitrao.Select Mark 10:37
38Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?Select Mark 10:38
39Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;Select Mark 10:39
40fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.Select Mark 10:40
41Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ i Jakoba sy Jaona izy.Select Mark 10:41
42Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.Select Mark 10:42
43Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.Select Mark 10:43
44Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’ izy rehetra.Select Mark 10:44
45Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.Select Mark 10:45
46Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.Select Mark 10:46
47Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!Select Mark 10:47
48Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.Select Mark 10:48
49Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.Select Mark 10:49
50Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.Select Mark 10:50
51Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.Select Mark 10:51
52Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’ izay ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy teny an-dalana izy.Select Mark 10:52
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation