Mark 11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany JesosySelect Mark 11:1
2ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin’ izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento etỳ.Select Mark 11:2
3Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin’ izay izy.Select Mark 11:3
4Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan’ ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.Select Mark 11:4
5Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?Select Mark 11:5
6Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain’ i Jesosy taminy, dia navelan’ ny olona handeha izy.Select Mark 11:6
7Ary nentiny teo amin’ i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.Select Mark 11:7
8Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.Select Mark 11:8
9Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!Select Mark 11:9
10Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’ i Davida raintsika! Hosana any amin’ ny avo indrindra.Select Mark 11:10
11Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’ izay, dia niala Izy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy ka nankany Betania.Select Mark 11:11
12Ary nony ampitson’ iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.Select Mark 11:12
13Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy.Select Mark 11:13
14Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.Select Mark 11:14
15Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;Select Mark 11:15
16ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly.Select Mark 11:16
17Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.Select Mark 11:17
18Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.Select Mark 11:18
19Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.Select Mark 11:19
20Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.Select Mark 11:20
21Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.Select Mark 11:21
22Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.Select Mark 11:22
23Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.Select Mark 11:23
24Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.Select Mark 11:24
25Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.Select Mark 11:25
26Select Mark 11:26
27Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholonaSelect Mark 11:27
28ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?Select Mark 11:28
29Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:Select Mark 11:29
30Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Valio Aho.Select Mark 11:30
31Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?Select Mark 11:31
32Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken’ ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.Select Mark 11:32
33Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.Select Mark 11:33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation