Skip to content
Church.wiki
Mark

Mark 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary niaraka tamin’ izay raha vao maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an’ i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin’ i Pilato.Select Mark 15:1

2Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.Select Mark 15:2

3Ary ny lohan’ ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.Select Mark 15:3

4Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan’ ny zavatra iampangany Anao izao!Select Mark 15:4

5Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.Select Mark 15:5

6Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin’ ny vahoaka.Select Mark 15:6

7Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin’ ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ ny fikomiana.Select Mark 15:7

8Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.Select Mark 15:8

9Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan’ ny Jiosy no halefako ho anareo?Select Mark 15:9

10Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona Azy.Select Mark 15:10

11Fa ny lohan’ ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan’ i Pilato ho azy.Select Mark 15:11

12Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin’ ilay ataonareo hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy?Select Mark 15:12

13Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!Select Mark 15:13

14Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!Select Mark 15:14

15Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ ny vahoaka, ka dia nandefa an’ i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.Select Mark 15:15

16Ary ny miaramila nitondra an’ i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.Select Mark 15:16

17Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.Select Mark 15:17

18Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!Select Mark 15:18

19Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.Select Mark 15:19

20Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ ny hazo fijaliana Izy.Select Mark 15:20

21Ary Simona Kyreniana (rain’ i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.Select Mark 15:21

22Ary Jesosy dia nentiny teo amin’ ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.Select Mark 15:22

23Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.Select Mark 15:23

24Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.Select Mark 15:24

25Ary tamin’ ny ora fahatelo no nanomboany tamin’ ny hazo fijaliana.Select Mark 15:25

26Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN’ NY JIOSY.Select Mark 15:26

27Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.Select Mark 15:27

28​Select Mark 15:28

29Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ ny hateloana,Select Mark 15:29

30vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.Select Mark 15:30

31Ary toy izany koa no faneson’ ny lohan’ ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.Select Mark 15:31

32Aoka Kristy, Mpanjakan’ ny Isiraely, hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.Select Mark 15:32

33Ary nony tamin’ ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany.Select Mark 15:33

34Ary tamin’ ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao?.Select Mark 15:34

35Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an’ i Elia Izy.Select Mark 15:35

36Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.Select Mark 15:36

37Ary Jesosy niantso tamin’ ny feo mahery, dia afaka ny ainy.Select Mark 15:37

38Ary ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.Select Mark 15:38

39Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.Select Mark 15:39

40Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy,Select Mark 15:40

41izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin’ ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.Select Mark 15:41

42Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan’ ny Sabata),Select Mark 15:42

43dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’ i Pilato izy ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.Select Mark 15:43

44Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.Select Mark 15:44

45Ary rehefa nahare tamin’ ny kapiteny izy, dia nomeny an’ i Josefa ny faty.Select Mark 15:45

46Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy.Select Mark 15:46

47Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.Select Mark 15:47

Next: Mark 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Mark

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.