Mark 16
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy.Select Mark 16:1
2Ary nony maraina koa tamin’ ny voalohan’ andro amin’ ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ ny fasana izy ireo.Select Mark 16:2
3Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ ny varavaram-pasana hisolo antsika?Select Mark 16:3
4Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.Select Mark 16:4
5Ary raha niditra tao anatin’ ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.Select Mark 16:5
6Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’ i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.Select Mark 16:6
7Fa mandehana, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.Select Mark 16:7
8Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin’ ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’ olona izy, satria natahotra.Select Mark 16:8
9[Ary rehefa nitsangana tamin’ ny marain’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’ i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.Select Mark 16:9
10Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ ireo efa nomba an’ i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.Select Mark 16:10
11Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.Select Mark 16:11
12Ary taorian’ izany Jesosy dia niseho tamin’ ny endrika hafa tamin’ ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha.Select Mark 16:12
13Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin’ ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.Select Mark 16:13
14Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy.Select Mark 16:14
15Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.Select Mark 16:15
16Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.Select Mark 16:16
17Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;Select Mark 16:17
18handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny.Select Mark 16:18
19Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra.Select Mark 16:19
20Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ ny famantarana izay nomba azy. Amena.]Select Mark 16:20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation