Mark 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary niditra tao amin’ ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.Select Mark 3:1
2Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.Select Mark 3:2
3Dia hoy Jesosy tamin’ ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.Select Mark 3:3
4Ary hoy koa Izy tamin’ ny olona: Inona moa no mety hatao amin’ ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.Select Mark 3:4
5Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.Select Mark 3:5
6Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’ izay dia niray tetika tamin’ ny Herodiana izy hanohitra an’ i Jesosy mba hahafaty Azy.Select Mark 3:6
7Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany niala teo ka nankany amin’ ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany JodiaSelect Mark 3:7
8sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’ i Jordana ary tamin’ ny tany manodidina an’ i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.Select Mark 3:8
9Ary Izy nilaza tamin’ ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.Select Mark 3:9
10Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.Select Mark 3:10
11Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra.Select Mark 3:11
12Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.Select Mark 3:12
13Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.Select Mark 3:13
14Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-tenySelect Mark 3:14
15sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.Select Mark 3:15
16Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;Select Mark 3:16
17ary Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’ i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;Select Mark 3:17
18ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo sy Simona KananeanaSelect Mark 3:18
19ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.Select Mark 3:19
20Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.Select Mark 3:20
21Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.Select Mark 3:21
22Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’ i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.Select Mark 3:22
23Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’ i Satana ahoana no famoaka an’ i Satana?Select Mark 3:23
24Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.Select Mark 3:24
25Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.Select Mark 3:25
26Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.Select Mark 3:26
27Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.Select Mark 3:27
28Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’ olombelona amin’ ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;Select Mark 3:28
29fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,Select Mark 3:29
30satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.Select Mark 3:30
31Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.Select Mark 3:31
32Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.Select Mark 3:32
33Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?Select Mark 3:33
34Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!Select Mark 3:34
35Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.Select Mark 3:35
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation