Skip to content
Church.wiki
Mark

Mark 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nampianatra teo amoron’ ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.Select Mark 4:1

2Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ ny fampianarany azy hoe:Select Mark 4:2

3Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.Select Mark 4:3

4Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.Select Mark 4:4

5Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.Select Mark 4:5

6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.Select Mark 4:6

7Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.Select Mark 4:7

8Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.Select Mark 4:8

9Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.Select Mark 4:9

10Ary raha tao amin’ ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy.Select Mark 4:10

11Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ ny fanoharana;Select Mark 4:11

12mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony.Select Mark 4:12

13Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?Select Mark 4:13

14Ny mpamafy dia mamafy ny teny.Select Mark 4:14

15Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’ izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.Select Mark 4:15

16Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana;Select Mark 4:16

17nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.Select Mark 4:17

18Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,Select Mark 4:18

19fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.Select Mark 4:19

20Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.Select Mark 4:20

21Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ ny farafara? Tsy hatao amin’ ny fanaovan-jiro va izy?Select Mark 4:21

22Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.Select Mark 4:22

23Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.Select Mark 4:23

24Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.Select Mark 4:24

25Fa izay manana no homena; ary ny amin’ ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.Select Mark 4:25

26Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan’ Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ ny tanySelect Mark 4:26

27ka matory sy mahatsiaro isan’ alina sy isan’ andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny fanirinySelect Mark 4:27

28Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.Select Mark 4:28

29Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’ izay, fa efa tonga ny fararano.Select Mark 4:29

30Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’ Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?Select Mark 4:30

31Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ ny tany;Select Mark 4:31

32Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ ny voro-manidina itoerana ny alokalony.Select Mark 4:32

33Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.Select Mark 4:33

34Ary raha tsy tamin’ ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ ny mangingina no nilazany tamin’ ny mpianany ny hevitr’ ireo rehetra ireo.Select Mark 4:34

35Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.Select Mark 4:35

36Ary rehefa nampodin’ ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’ io sambokely io tamin’ izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.Select Mark 4:36

37Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ ny alon-drano ny sambokely ka nila ho feno rano.Select Mark 4:37

38Ary Jesosy natory teo am-bodin’ ny sambokely tambonin’ ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?Select Mark 4:38

39Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.Select Mark 4:39

40Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?Select Mark 4:40

41Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?Select Mark 4:41

Next: Mark 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Mark

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.