Skip to content
Church.wiki
Mark

Mark 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.Select Mark 6:1

2Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin’ ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan’ ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ ny tànany izao?Select Mark 6:2

3Tsy ilay mpandrafitra, zanak’ i Maria, ary rahalahin’ i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.Select Mark 6:3

4Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin’ ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.Select Mark 6:4

5Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.Select Mark 6:5

6Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.Select Mark 6:6

7Ary niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.Select Mark 6:7

8Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.Select Mark 6:8

9Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.Select Mark 6:9

10Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.Select Mark 6:10

11Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.Select Mark 6:11

12Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.Select Mark 6:12

13Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.Select Mark 6:13

14Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran’ i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin’ ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.Select Mark 6:14

15Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin’ ny mpaminany.Select Mark 6:15

16Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.Select Mark 6:16

17Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an’ i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’ i Herodiasy vadin’ i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.Select Mark 6:17

18Fa Jaona efa nilaza tamin’ i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin’ ny rahalahinao.Select Mark 6:18

19Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.Select Mark 6:19

20Fa Heroda natahotra an’ i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masìna izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin’ ny hafaliana izy.Select Mark 6:20

21Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan’ i Heroda fanasana ho an’ ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin’ ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,Select Mark 6:21

22ka niditra ny zanakavavin’ i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an’ i Heroda mbamin’ izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.Select Mark 6:22

23Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakako aza.Select Mark 6:23

24Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.Select Mark 6:24

25Dia niditra faingana niaraka tamin’ izay izy ho ao amin’ ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.Select Mark 6:25

26Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.Select Mark 6:26

27Ary niaraka tamin’ izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan’ i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.Select Mark 6:27

28Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.Select Mark 6:28

29Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.Select Mark 6:29

30Ary ny Apostoly niangona teo amin’ i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’ izay nampianariny.Select Mark 6:30

31Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).Select Mark 6:31

32Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.Select Mark 6:32

33Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an’ i Jesosy, dia niala avy teny amin’ ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.Select Mark 6:33

34Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.Select Mark 6:34

35Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;Select Mark 6:35

36ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin’ ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.Select Mark 6:36

37Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?Select Mark 6:37

38Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.Select Mark 6:38

39Dia nasain’ i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin’ ny ahi-maitso izy.Select Mark 6:39

40Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.Select Mark 6:40

41Ary rehefa voarain’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan’ ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin’ ny olona rehetra.Select Mark 6:41

42Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.Select Mark 6:42

43Ary nangoniny izay sombintsombin’ ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.Select Mark 6:43

44Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.Select Mark 6:44

45Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.Select Mark 6:45

46Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.Select Mark 6:46

47Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.Select Mark 6:47

48Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain’ ny rivotra: ary tokony ho tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.Select Mark 6:48

49Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.Select Mark 6:49

50Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.Select Mark 6:50

51Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.Select Mark 6:51

52Ary tsy fantany ny amin’ ny mofo; fa efa mafy ny fony.Select Mark 6:52

53Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin’ ny tany Genesareta ka niantsona teo.Select Mark 6:53

54Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an’ i Jesosy niaraka tamin’ izay ny olona teoSelect Mark 6:54

55ka nihazakazaka tamin’ izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin’ ny fandriana ho any amin’ izay reny fa nitoerany.Select Mark 6:55

56Ary na taiza na taiza no nidiran’ i Jesosy, na tao amin’ ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.Select Mark 6:56

Next: Mark 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Mark

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.