Skip to content
Church.wiki
Mark

Mark 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin’ i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:Select Mark 8:1

2Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;Select Mark 8:2

3koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.Select Mark 8:3

4Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!Select Mark 8:4

5Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.Select Mark 8:5

6Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.Select Mark 8:6

7Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’ i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.Select Mark 8:7

8Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.Select Mark 8:8

9Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.Select Mark 8:9

10Ary niaraka tamin’ izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Dalmanota.Select Mark 8:10

11Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.Select Mark 8:11

12Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.Select Mark 8:12

13Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.Select Mark 8:13

14Ary tsy tsaroan’ ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.Select Mark 8:14

15Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny masirasiran’ i Heroda.Select Mark 8:15

16Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.Select Mark 8:16

17Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?Select Mark 8:17

18Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?Select Mark 8:18

19Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ ny folo.Select Mark 8:19

20Ary raha ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.Select Mark 8:20

21Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?Select Mark 8:21

22Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’ i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.Select Mark 8:22

23Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?Select Mark 8:23

24Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.Select Mark 8:24

25Dia napetrany tamin’ ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.Select Mark 8:25

26Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.Select Mark 8:26

27Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ ireny tanàna momba an’ i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?Select Mark 8:27

28Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ ny mpaminany.Select Mark 8:28

29Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.Select Mark 8:29

30Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’ olona.Select Mark 8:30

31Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.Select Mark 8:31

32Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.Select Mark 8:32

33Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.Select Mark 8:33

34Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.Select Mark 8:34

35Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.Select Mark 8:35

36Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?Select Mark 8:36

37Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?Select Mark 8:37

38Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.Select Mark 8:38

Next: Mark 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Mark

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.