Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Dia nankeo amin’ i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:Select Matthew 15:1

2Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.Select Matthew 15:2

3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?Select Matthew 15:3

4Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.Select Matthew 15:4

5Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an’ Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.Select Matthew 15:5

6Koa dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.Select Matthew 15:6

7Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’ Isaia anareo hoe:Select Matthew 15:7

8Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.Select Matthew 15:8

9Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy.Select Matthew 15:9

10Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:Select Matthew 15:10

11tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona.Select Matthew 15:11

12Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?Select Matthew 15:12

13Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.Select Matthew 15:13

14Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.Select Matthew 15:14

15Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr’ izany fanoharana izany.Select Matthew 15:15

16Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?Select Matthew 15:16

17Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ ny fivoahana?Select Matthew 15:17

18Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.Select Matthew 15:18

19Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;Select Matthew 15:19

20izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.Select Matthew 15:20

21Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ ny fari-tanin’ i Tyro sy Sidona.Select Matthew 15:21

22Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra.Select Matthew 15:22

23Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.Select Matthew 15:23

24Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.Select Matthew 15:24

25Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.Select Matthew 15:25

26Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.Select Matthew 15:26

27Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany.Select Matthew 15:27

28Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin’ izay ora izay.Select Matthew 15:28

29Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;Select Matthew 15:29

30ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ ny tongotr’ i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;Select Matthew 15:30

31ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely izy.Select Matthew 15:31

32Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.Select Matthew 15:32

33Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!Select Matthew 15:33

34Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.Select Matthew 15:34

35Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin’ ny tany.Select Matthew 15:35

36Dia nandray ny mofo fito mbamin’ ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.Select Matthew 15:36

37Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.Select Matthew 15:37

38Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.Select Matthew 15:38

39Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Magadana.Select Matthew 15:39

Next: Matthew 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.