Matthew 2
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’ i Jodia, tamin’ ny andron’ i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:Select Matthew 2:1
2Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.Select Matthew 2:2
3Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’ i Jerosalema rehetra.Select Matthew 2:3
4Dia namory ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan’ i Kristy?Select Matthew 2:4
5Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’ i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:Select Matthew 2:5
6Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’ izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko.Select Matthew 2:6
7Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ ilay kintana.Select Matthew 2:7
8Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.Select Matthew 2:8
9Ary rehefa nandre ny tenin’ ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’ izay nitoeran’ ny Zazakely.Select Matthew 2:9
10Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.Select Matthew 2:10
11Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.Select Matthew 2:11
12Ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy tsy hiverina any amin’ i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ ny fonenany.Select Matthew 2:12
13Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tamin’ ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.Select Matthew 2:13
14Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;Select Matthew 2:14
15ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’ i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’ i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.Select Matthew 2:15
16Ary nony efa fantatr’ i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’ ny roa taona no ho midìna, izay tao Betlehema sy tamin’ ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ ny Magy.Select Matthew 2:16
17Dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe:Select Matthew 2:17
18Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny.Select Matthew 2:18
19Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tany Egypta tamin’ ny nofy ka nanao hoe:Select Matthew 2:19
20Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain’ ny Zazakely.Select Matthew 2:20
21Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.Select Matthew 2:21
22Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’ i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ ny tany Galilia.Select Matthew 2:22
23Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.Select Matthew 2:23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation