Matthew 20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.Select Matthew 20:1
2Ary rehefa nifanekeny tamin’ ny mpiasa fa ho denaria isan’ andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ ny tanim-boalobony ireny.Select Matthew 20:2
3Ary nivoaka tamin’ ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,Select Matthew 20:3
4ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin’ ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.Select Matthew 20:4
5Ary nivoaka tamin’ ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.Select Matthew 20:5
6Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?Select Matthew 20:6
7Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ ny tanim-boaloboka.Select Matthew 20:7
8Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka tamin’ ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin’ ireo taoriana ka vao hatramin’ ireo voalohany.Select Matthew 20:8
9Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.Select Matthew 20:9
10Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.Select Matthew 20:10
11Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ ny tompon-trano ka nanao hoe:Select Matthew 20:11
12Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.Select Matthew 20:12
13Fa izy namaly ka nanao tamin’ ny anankiray amin’ ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?Select Matthew 20:13
14Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.Select Matthew 20:14
15Tsy mahazo manao izay tiako amin’ ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?Select Matthew 20:15
16Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.Select Matthew 20:16
17Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:Select Matthew 20:17
18Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty IzySelect Matthew 20:18
19ka hatolony amin’ ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ ny hazo fijaliana; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.Select Matthew 20:19
20Ary tamin’ izany dia nanatona an’ i Jesosy ny renin’ ny zanak’ i Zebedio mbamin’ ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.Select Matthew 20:20
21Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao.Select Matthew 20:21
22Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin’ ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.Select Matthew 20:22
23Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ ny Raiko izany no homena.Select Matthew 20:23
24Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ izy mirahalahy.Select Matthew 20:24
25Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.Select Matthew 20:25
26Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;Select Matthew 20:26
27ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.Select Matthew 20:27
28Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.Select Matthew 20:28
29Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’ i Jesosy.Select Matthew 20:29
30Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!Select Matthew 20:30
31Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!Select Matthew 20:31
32Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?Select Matthew 20:32
33Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.Select Matthew 20:33
34Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’ izay izy, dia nanaraka an’ i Jesosy.Select Matthew 20:34
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation