Matthew 22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:Select Matthew 22:1
2Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ ny zananilahy.Select Matthew 22:2
3Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.Select Matthew 22:3
4Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo.Select Matthew 22:4
5Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ ny varony.Select Matthew 22:5
6Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.Select Matthew 22:6
7Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.Select Matthew 22:7
8Dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.Select Matthew 22:8
9Koa mankanesa ianareo any amin’ ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ ny fampakaram-bady.Select Matthew 22:9
10Dia nivoaka ho any amin’ ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.Select Matthew 22:10
11Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady.Select Matthew 22:11
12Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady? Dia sina izy.Select Matthew 22:12
13Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.Select Matthew 22:13
14Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.Select Matthew 22:14
15Ary tamin’ izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny.Select Matthew 22:15
16Dia naniraka ny mpianany mbamin’ ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’ olona.Select Matthew 22:16
17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?Select Matthew 22:17
18Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?Select Matthew 22:18
19Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.Select Matthew 22:19
20Ary hoy Jesosy taminy: An’ iza ity sary sy soratra ity?Select Matthew 22:20
21Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.Select Matthew 22:21
22Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.Select Matthew 22:22
23Tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, ka nanontany Azy hoe:Select Matthew 22:23
24Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.Select Matthew 22:24
25Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an’ ny rahalahiny ny vadiny;Select Matthew 22:25
26ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ ny fahafito.Select Matthew 22:26
27Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.Select Matthew 22:27
28Ary amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza amin’ izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.Select Matthew 22:28
29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra.Select Matthew 22:29
30Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.Select Matthew 22:30
31Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe:Select Matthew 22:31
32Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona.Select Matthew 22:32
33Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ ny fampianarany.Select Matthew 22:33
34Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.Select Matthew 22:34
35Ary ny anankiray tamin’ ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:Select Matthew 22:35
36Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ ny lalàna?Select Matthew 22:36
37Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.Select Matthew 22:37
38Izany no didy lehibe sady voalohany.Select Matthew 22:38
39Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Select Matthew 22:39
40Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.Select Matthew 22:40
41Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:Select Matthew 22:41
42Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.Select Matthew 22:42
43Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:Select Matthew 22:43
44Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ ny tongotrao?Select Matthew 22:44
45Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?Select Matthew 22:45
46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.Select Matthew 22:46
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation