Matthew 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.Select Matthew 24:1
2Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.Select Matthew 24:2
3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao.Select Matthew 24:3
4Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.Select Matthew 24:4
5Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.Select Matthew 24:5
6Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.Select Matthew 24:6
7Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ ny tany samy hafa.Select Matthew 24:7
8Fa izany rehetra izany no fiandohan’ ny fahoriana.Select Matthew 24:8
9Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.Select Matthew 24:9
10Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.Select Matthew 24:10
11Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.Select Matthew 24:11
12Ary noho ny haben’ ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro.Select Matthew 24:12
13Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.Select Matthew 24:13
14Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.Select Matthew 24:14
15Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masìna ny fahavetavetan’ ny fandravana, izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany),Select Matthew 24:15
16dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;Select Matthew 24:16
17ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;Select Matthew 24:17
18ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.Select Matthew 24:18
19Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mampinono amin’ ireo andro ireo!Select Matthew 24:19
20Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata no handosiranareo.Select Matthew 24:20
21Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.Select Matthew 24:21
22Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.Select Matthew 24:22
23Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, y Kristy, na: Indro, ar; aza mino ianareo.Select Matthew 24:23
24Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.Select Matthew 24:24
25Indro, voalazako aminareo rahateo izany.Select Matthew 24:25
26Ary amin’ izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino.Select Matthew 24:26
27Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.Select Matthew 24:27
28Fa izay itoeran’ ny faty, dia any no hiangonan’ ny voromahery.Select Matthew 24:28
29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ ny lanitra hohozongozonina.Select Matthew 24:29
30Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy.Select Matthew 24:30
31Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra.Select Matthew 24:31
32Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.Select Matthew 24:32
33Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.Select Matthew 24:33
34Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.Select Matthew 24:34
35Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.Select Matthew 24:35
36Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.Select Matthew 24:36
37Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.Select Matthew 24:37
38Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara,Select Matthew 24:38
39ary tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.Select Matthew 24:39
40Ary amin’ izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.Select Matthew 24:40
41Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.Select Matthew 24:41
42Koa amin’ izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny Tomponareo.Select Matthew 24:42
43Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ ny alina izay hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.Select Matthew 24:43
44Koa miomana kosa ianareo; fa amin’ izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ ny Zanak’ olona.Select Matthew 24:44
45Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ ny fotoana?Select Matthew 24:45
46Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.Select Matthew 24:46
47Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.Select Matthew 24:47
48Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,Select Matthew 24:48
49ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo,Select Matthew 24:49
50dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany,Select Matthew 24:50
51dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.Select Matthew 24:51
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation